Brice Lejambe : Mitondra ny heviny momba ny rafi-pitantanana eto amintsika

Natao tetsy amin’ny efintranon’ny Antenimieran’ny Va­rotra sy ny Indostria eto Antananarivo (CCIA) ny « Café littéraire E-Toerana », andiny voalohany. Fihaonana natokana nandinihina ny olana sy ny fanamby momba ny fitantanan eto Mada­gasikara. Nasaina manokana tamin’ity andiany ity i Brice Lejambe, nanoratra ilay boky ” La Capture de l’État, essai sur la gouvernance à Ma­da­gascar”. Nitarika ny dinika Andriantoandro Tiana. Nivoitra tao anatin’ny adihevitra ny fanadihadiana nataon’ny mpanoratra momba ny fahalemen’ny rafi-panjakana izay sakana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Voaresaka koa tokony hametrahana ny mangarahara amin’ny fitantanana, ny ady amin’ny kolikoly ary ireo paikady apetraka hampahomby ireo tetikasam-panjakana.

Rafitra
Nifantoka tamin’ireo fanavaozana azo tanterahina amin’ny rafi-panjakana ihany koa ny dinika natao. Anisan’ireo soso-kevitra nisongadina ny tokony hamaritana mazava ny tanjona apetraky ny fitantanana, ny fahaleovantenan’ny fitsarana, ny hanamafisana ireo rafi-panjakana samihafa. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fitsinjaram-pahefana ary ny fametrahana tetikasa mifanaraka amin’ny filana eny ifotony. Tanjona tao anatin’ny « Café littéraire » ny hametrahana sehatra hifanakalozan-kevitry ny olon-tsotra, mpikaroka, tomponandraki-panjakana ary ny fiarahamonim-pirenena momba ireo fanamby ho an’ny fampandrosoana ny firenena.

Henintsoa

Partager sur: