Maherin’ny 500 000 ireo tokantrano nisitraka tohana avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ny Fambolena (Fida) tao anatin’ny efa-taona
Fahombiazana. Mitentina hatrany amin’ny 450 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola nentin’ny Fida nanohanana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra eto Madagasikara. Nentina nanatanterahana ireo tetikasa telo (2022-2026) mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny ampahany betsaka tamin’io famatsiam-bola io. Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa nanohanana ny fampandrosoana an’i Menabe sy Melaky (AD2M II). Eo ihany koa ireo tetikasa mifantoka amin’ny fampandrosoana ny fambolena toy ny fandaharanasa Defis ary ny Progres izay mikendry ny fampivoarana ny sehatry ny fambolena sy ny fampandraisana anjara maharitra ny tanora eny ambanivohitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena, araka ny tatitra nataony, ny zoma teo.
Tohana
Anisan’ireo nisitraka ny famatsiam-bola ihany koa ny orinasa Soafiary. Nivoitra izany nandritra ny lanonana nanomezana mari-boninahitra an’i Joseph Rostand Olinga Biwole, solontena miasa sady talen’ny Fida aty Madagasikara, Kaomoro, Maorisy ary Seychelles. Notolorana mari-boninahitry “Chevalier de l’Ordre national malagasy, ity tomponandraikitra ity ho fankasitrahana ny anjara birikiny tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa teo amin’i Madagasikara sy ny Fida. Ankilany, nankasitraka ny kalitaon’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ihany koa ny fanjakana tamin’ny fampitomboana ny vokatra ara-pambolena, ny fanamafisana ny fahafahan’ny mponina eny ambanivohitra miatrika ny vokatry ny fiovan’ ny toetr’andro ary ny fanatsarana ny rafitra ara-tsakafo. Marihina fa maherin’ny 1 012, 86 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola nataon’ny Fida tamin’ireo tetikasa 18 natao teto amintsika hatramin’ny taona 1979, nanombohany niasa teto Madagasikara. Maherin’ny 1 tapitrisa ny tokantrano eny ambanivohitra efa nisitraka tombontsoa tamin’izany. Porofo izao fa mpiara-miombon’antoka stratejika lehibe fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra eto Madagasika ny Fida.
Henintsoa




