Jovena : Nivoaka ny lubrifiants Premium LUB vaovao

Dingana vaovao no vitan’ny Jovena amin’ny alalan’ny Convention Lubrifiants. Nandritra izany no nampahafantaran’ny orinasa ny Premium LUB vaovao nohatsaraina. Menaka, natao manokana hifanaraka amin’ny fepetra takin’ireo matihanina eto Madagasikara. Miisa hatrany amin’ny 160 ireo manam-pahaizana nandinika momba ny kalitaon’ny vokatra. Nampiavaka ny hetsika ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Alain Jany, manam-pahaizana iraisam-pirenena sady mpitantana teo aloha tao amin’ny Shell, izay nizara ny traikefany nandritra ny 40 taona mahery. “Zava-dehibe ny ampiasana vokatra mifanaraka amin’ny fenitra mba hiantohana ny kalitaon’ny milina”, raha ny fanazavana voaray. Niara-niasa tamin’i Chevron Oronite, ilay manam-pahaizana momba ny “additivation” ny orinasa tamin’ny famolavolana ny Premium LUB vaovao.

Ara-kalitao
Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena API avokoa ny vokatra rehetra sady tsara kalitao. Manana ny laboratoara manokana ny Jovena, iray amin’ireo mpaninjara “lubrifiants” eto Madagasikara, manara-maso tsy tapaka ny kalitaon’ny menaka ao anatin’ny fito andro monja. Araka izany, manamafy ny vina stratejika apetrany ny Jovena, ny ho lohalaharana amin’ny tsenan’ny “lubrifiants” eto Madagasikara ka hitondrany ny fahaiza-manao ara-teknika, zava-baovao sy matihanina hatrany, ho an’ny mpanjifa. Noho izany, manamafy ny fahavononany ny orinasa hitondra vahaolana mifanaraka amin’ny filan’ny mpampiasa fiara sy kodiaran-droa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Marihina fa misandrahaka manerana ny Nosy ireo tobin-tsoliky ny Jovena 117 ary mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara.

Henintsoa

Partager sur: