Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto iray nidona tamin’ny fiara teny amin’ny lalam-pirenena voalohany hiditra Katsaoka, Imeritsiatosika, ny alin’ny zoma, tokony ho tamin’ny 9 ora. Nandeha mafy, nidona tampoka tamin’ny vodin’ny kamiao lehibe iray teo alohany ny moto nentin’ilay lehilahy. Mafy ny dona ka noteren’ny moto nentiny sy ny fiara teo alohany io mpitondra moto io. Tsy tana ny ain’ilay mpitondra moto ary simba tanteraka ny kodiarandroa marika Cygnus nentiny. Ankoatra io, nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina koa, teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, ny harivan’ny sabotsy 18 jolay teo. Mpitondra moto marika Cygnus iray hafa kosa, nifandona tamin’ny fiara iray marika Getz. Nipitika avy hatrany taorian’ny dona mafy nahazo azy ilay mpitondra kodiarandroa ary tsy nahatsiaro tena sy vaky ra ny lohany. Nidina nandamina ny fifamoivoizana teny an-toerana ny polisim-pirenena.
Tsiferana R.




