Ladoany Antanimena : Entana miisa 118 hatao lavanty ampahibemaso

Feno entana tsy nalain’ny tompony, efa an-taonany maro, etsy amin’ny magazay fitahirizana entana an’ny Fadintseranana malagasy, etsy Antanimena. Tsy maintsy hirosoana ny fanaovana lavanty ampahibemaso, ary hitohy any amin’ny magazay hafa izany.

Hatao ny alatsinainy 10 aogositra 2026 ho avy izao, amin’ny 8 ora ma­raina, etsy amin’ny magazain’ny Ladoany Antanimena, ny lavanty ampahibemaso ho an’ny besinimaro. Hatao anaty valopy mihidy sy voatomboka ny tombam-bidy farany ambany. Hita amin’ny petadrindrina manerana ny biraon’ny Fa­dintseranana manerana an’i Madagasikara ny lisitr’ireo entana hatao lavanty. Azo atao koa ny mijery ao amin’ny tranokalan’ny Fadintseranana malagasy: www.douanes.gov.mg. Tsy maintsy ampahafantarina mialoha, amin’ny alalan’ireo fomba fampitam-baovao voafaritry ny lalàna sy ny filazana amin’ny alalan’ny haino vaky jery ny fanaovana lavanty ampahibemaso.
Miisa 118 ny isan’ny entana hatao lavanty amin’io. Toy, ny kojakoja ao an-trano, bateria fiara, divay, akanjo, kojakoja informatika, moto efa niasa, sns.

Mpisoloky ny mampiasa Facebook
Nomarihin’ny tale jenera­lin’ny Ladoany (DGD), Ran­drianjafy Antoine, omaly, fa tsy mampiasa ny tambajotra sosialy Facebook ny Fadintse­ranana amin’ny fampahafantarana ny lavanty ampahibemaso. Natao izany fampahatsiahivana izany mba hisorohana ireo mpisoloky anaty tambajotra sosialy, misandoka ny rehetra. « Tsy misy na iray aza ny fandoavam-bola amin’ny alalan’ny finday, satria izany no fomba fanaon’ireo mpisoloky. Tsy maintsy tonga eny an-toerana, mandritra ny fanaovana ny lavanty ireo liana, ary any no hamantarana ny dingana fandoavam-bola », hoy ihany izy.
Aorian’ny eny Antanime­na, hiroso amin’ny fanaovana lavanty any amin’ny toeran-kafa koa ny Fadintseranana satria efa feno ihany koa sady maro koa ny entana tsy nalain’ny tompony intsony. Toy, ny any Mahajanga, Toamasina, Antsiranana, Mamory Ivato, sns. Marihina fa tsy afaka mandray anjara na manao tombam-bidy ny mpiasan’ny Ladoany mba hametrahana ny mangarahara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: