Lavon’ny balan’ny zandary tany amin’ny fokontany Avaradrova, kaominina ambanivohitra Manombo Atsimo, ny dahalo raidahiny iray, omaly maraina tamin’ny 1 ora tany ho any. Malaza ratsy amin’ny fangalarana omby any an-toerana izy io raha ny fanazavana voaray. Nidiran’ny dahalo maro tao an-tanàna tamin’io fotoana io. Nangalarin’izy ireo nandritra izany, ny omby iray sy osy maromaro ana fianakaviana roa samy hafa. Nahatsikaritra ny fahabangana tamin’ireo biby fiompy ny mponina tao an-toerana ka nampandre ny zandary izay manao asa fisafoana tamin’ny alina, ao an-tampotanan’ny Manombo Atsimo. Efa tsy tao an-toerana intsony ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary tao an-toerana. Natao ny fanarahan-dia ireo dahalo taorian’izay, izay nizotra niantsinanana, araka ny dian’omby sy osy tamin’ny tany. Nifankatratra teo amin’ny toerana atao hoe Andalambazaha ny mpitandro filaminana sy ny dahalo tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany atoandro. Raikitra ny fifanejevoana sy ny fifampitifirana. Vokany, dahalo iray izay tsy fantatr’izy ireo anarana no maty nandritra ny fifandonana. Tafaporitsaka ny roa hafa izay mbola karohina. Naverina tamin’ny tompony ny biby fiompy taorian’ny fanamarihana izany.
Mino




