Lehilahy lehibe, teratany frantsay, hita faty tao anaty efitrano tao amin’ny hotely fandraisam-bahiny iray any Ambodimanga Toamasina, omaly. Raha ny fanazavana voaray, efa nipetraka sy naka efitrano tao amin’ity hotely ity ilay lehilahy, nanomboka ny volana mey lasa teo. Natory tao an’efitranony ity farany hatramin’ny maraina ary tsy nivoaka tao mihitsy, raha ny loharanom-baovao. Nahatsikaritra renim-pianakaviana iray niaraka taminy tao ny olona sy ny mpiasa nivezivezy tao amin’ny hotely, araka ny loharanom-baovao hatrany. Hita faty tao an’efitra anefa io teratany vahiny io, omaly tamin’ny 4 ora tolakandro mahery tany ho any. Tsy tao intsony ilay renim-pianakaviana niaraka taminy.
Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy fa efa tonga nanao ny fizahana ny razana ny manam-pahefana sy ny mpitsabo any an-toerana. Ahina ho fijanonan’ny fo tampoka no nitarika azy tamin’ny fahafatesany, raha ny tombana avy ety ivelany. Tsy nahitana ratra ihany koa ny vatany. Efa nikasa hiverina any ivelany izy amin’ny volana aogositra ho avy izao, raha ny fanazavana voaray. Nandrasana tao amin’ny tranom-patin’ny Maison de retraite any Toamasina ny razana, omaly hariva.
Sajo




