Nifarana ny alakamisy teo, teny amin’ny Havoria Anosy, ny andiany voalohany amin’ny fifaninanana “Fokontany Madio”. Hetsika nokarakarain’ny minisiteran’ny Rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana, ao anatin’ny tetikasa “Madagasikara Madio”. Niarahana tamin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara-miombon’antoka. Nahazo ny laharana voalohany, nandritra ny fifaninanana, ny fokontany Manjakamiadana (Boriborintany faha-2). Nahazo mari-pankasitrahana sy loka mitentina 31,8 tapitrisa Ar ity fokontany ity. Laharana faharoa ny fokontany Antanety Avaratra (Boriborintany faha-6), nahazo 15,8 tapitrisa Ar. Eo amin’ny laharana fahatelo kosa ny fokontany Ampandrana Andrefana (Boriborintany faha-3), nomena 8,8 tapitrisa Ar. « Nisongadina tamin’ ny fanatsarana ny fahadiovan’ny manodidina ireo fokontany nandresy, toy ny fanadiovana tatatra, fanesorana rano maloto ary fanangonana fako », hoy ny mpikarakara. Nambaran’ny minisitry ny Rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana, Dr Razafindrianiaina Minosoa Elia, fa « miainga amin’ny fandraisana anjaran’ny tsirairay ny fahadiovana, ka ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hahazoana tanàna madio sy salama ». Tsiahivina fa nanomboka ny 18 febroary 2026 ny fifaninanana. Fokontany 192 no nandray anjara, 12 no tafita tamin’ny famaranana.
Henintsoa




