TARATRY ny KANTO

Tsy mbola mahay ny Malagasy ? Ny an’ny vahiny, mahafantatra ny mombamomba ireo oloben’ny kolontsaina sy ny zavakanto ao aminy ny mponina. Ny zava-bitan’ireny olona ireny no iray amin’ireo fototra iaingan’ny aty aoriana. Fantany tsara ny momba an’i Mozart (tantaram-piainany, ny kanto noforoniny…). Tahaka izany koa ry Leonard de Vinci teo amin’ny tontolon’ny hosodoko, sns. Fa ny an’ny Malagasy : « efa nilaozan’ny toetrandro izany fa avelao any » !

Soratana amin’ny teny malagasy. Aleo mifanatona sy mifampidinika. Aleo mijery ny efa vitan’ny teo aloha… Amin’izay fotoana izay, ho tsara kokoa ny dikan-teny (raha ilaina). Ny zava-dehibe sady laharam-pahamehana rahateo dia ny fanazavana amin’ny teny malagasy izay tiana hampitaina ao anatin’ireny taratasim-panjakana ireny. Mifanatona amin’ny mpampianatra, mpikaroka. Fa indrindra, mifanatona amin’ireo mpahalala sy ny anti-panahy. Manan-kasina sy saro-pady mantsy ny teny (indrindra fa ny teny malagasy). Ny fahafantarana izany no anisan’ny nandraran’ny mpanjakazaka an-tanin’olona ny teny malagasy tsy ho ampiasain’ny Malagasy.

Ny soa fianatra. Any Italie, isaky ny kihon-dalana, ahitana takelaka mampahafantatra ny tantaran’ilay toerana. Tantaran’ny olo-malaza nonina tao, sns. Ny eto Madagasikara, aman-taona maro vao soloina sy havaozina ny anaran-dalana vita amina takelaka vy faran’izay tsotra. Misy, aza, mbola ny anaran’ireo vahiny namingavinga ny Malagasy no voarakitra ao amin’ireny takelaka ireny. Lesoka mila harenina mba hahamarim-pototra ny tantara izany. Hampitombo fahalalana. Anisan’ny paikady nentin’ny vahiny namotika ny fiarahamonina malagasy rahateo ny famadibadihana na fampifamoterana na fanovana ny tena zava-nisy.

Partager sur: