Nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny Ambohidrazaka, Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano, omaly alina. Jiolahy manodidina ny 5 hatramin’ny 8 teo ireo tonga nanafika tranombarotra mpamongady iray teny an-toerana. Mirongo fitaovam-piadiana toy ny basimborona sy antsy ireo olon-dratsy, raha ny fanazavana voaray. Nanapoaka basy indroa ireo jiolahy ireo nandritra izany. Tao anaty haizina tanteraka ny nanatanterahin’ireo olon-dratsy ny asa fanafihana, noho ny fahatapahan’ny jiro. Taorian’ny asa ratsy, lasa nitsoaka nihazo an’i Mahatsinjo, Ankady, Ambohitanety, Ambohimarina, Mandikanamana iny izy ireo. Nanaraka sy nanenjika ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana avy amin’ny zandary sy ny polisy eny an-toerana. Efa natao ihany koa ny sakana. Tsy mbola nahazoana vaovao kosa ny mahakasika ireo olona voatafika sy ny vola voaroba tamin’io tranga fanafihana io hatramin’ny nanoratana, omaly. Matetika ahitana tranga fanafihana eny an-toerana. Manoloana izany, hamafisina ny andrimasom-pokonolona.
Ankoatra izay, jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny polisy tany amin’ny faritr’i Tanandava, Pont Fotsy, afakomaly alina. Nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo momba ny fisian’ny andian-jiolahy mampiahiahy ny Polisy avy ao amin’ny CRFIP Atsinanana. Nikasa hanohitra izy io rehefa teo am-pisamborana azy ny mpitandro filaminana. Voatery nitifitra azy ny pôlisy ka izao lavo izao ilay jiolahy.
Mino




