Fiarabe sy moto nifandona : Mpivady niara-maty notetezin’ny kodiarana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, afakomaly tamin’ny 02 ora sy 40 minitra tolakandro. Nifandona mafy teo amin’ny sampanan-dalana mivily mankany Ambatovy sy lalana migodana Tanandava ny moto sy ny fiarabe. Noho ny hamafin’ny fifandonana, nipitika avy teny ambony moto ireo mpivady ka nitrosona mafy tamin’ny arabe, avy eo notetezin’ny kodiaran’ilay fiarabe. Vokany, maty tsy tra-drano izy ireo izay nahitana lehilahy 56 taona sy vehivavy 54 taona.

Nandeha mafy ireo mpivady namoy ny ainy ka nianjera tamin’ny arabe, raha ny fanazavana voaray avy amin’ireo nanatri-maso. Notatazan’ny tetezana teo aloha avy eo ary voahitsak’ilay kamiao izay nandeha mafy ihany koa. Voatetin’ny kodiaran’ilay fiarabe ny lohan’izy roa ka potika tanteraka. Marihina fa tsy nisy aroloha ilay ramatoa, raha ny fanazavana voaray hatrany. Avy nijery ny tranon’izy ireo izay anisan’ny rava tao Antanandava izy mivady saingy izao tra-doza izao.

Karohina ny mpamily nahavanon-doza
Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny zandary ao amin’ny Toby miandraikitra ny fandrindrana ny lalana ny sy Polisy avy ao amin’ny Bac vantany vao niseho ny loza. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitsabo ao amin’ny BMH nanao ny fitsirihana ny razana. Tsy tratran’ny mpitandro filaminana teo an-toerana nisehoan’ny loza intsony ny mpamilin’ilay fiarabe fa ny mpamily mpanampy ihany no hita teo. Lasa nitsoaka izy ary mbola karohina, raha ny fanazavana voaray. Nampidirina am-balam-pamonjana ilay kamiao.

Sajo/ Mino

Partager sur: