Fifandraisandavitra : Hosantarin’ny Yas ny tanjaka 5.5G

Nampahafantarina ny alakamisy 23 jolay teo ny andrana hampiasana ny teknolojia 5G Advanced (5.5G) eto amintsika. Voalohany mampiasa azy ny orinasa Yas Mada­gasikara ary fahefatra maneran-tany, aorian’ i Emira Arabo Mitambatra, Maorisy, Afrika Atsimo. Midika izany fa anisan’ny sangany amin’ny tontolon’ny fifandraisandavitra ity orinasa malagasy ity ary miara-miombon’antoka amin’ny Huawei. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Yas Madaga­sikara, Benoit Janin, fa « ity andrana ity dia maneho fa manana ny fotodrafitrasa avo lenta sy ny fitaovana ilaina hampiroboroboana ny teknolojia niomerika i Madaga­sikara. Tanjonay ny hiomanana dieny izao, hisian’ny tambajotra mamaly ny filan’ny mpanjifa amin’ny hoavy ».
Ho an’ny minisitry ny Paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny niomerika (MNDPT), Andria­mampiadana Mahefa, manamarika izao fa malalaka ny fifaninanana eto Mada­ga­sikara. Mahazo toky ny mpandraharaha fa voaaro ny fampiasam-bola. Maro ny sehatra azo ampiasana ny tanjaka 5.5G, toy ny fambolena, ny fitsaboana, ny fanabeazana, ny faharanitantsaina artifisialy (IA), sns.

Fampiasam-bola 800 tapitrisa dolara
Mahatratra hatramin’ny 800 tapitrisa dolara ny fampiasam-bolan’ny Yas, nanomboka ny niasany teto Madaga­sikara. Ampiasana tanjaka 4G daholo ny toerana rehetra, ahitana azy ary miditra tsikelikely ny fampiasana ny 5G. Maherin’ny 20 000 km ny tariby Back Bone manerana ny Nosy. Miisa 4 ny taribim-pifandraisana amin’ny any ivelany, any ambany ranomasina.

Njaka A.

Partager sur: