Midadasika, mitotaly 350 824 ha ny Vondrona faritra arovana Mahavavy-Kinkony (CMK) any amin’ny faritra Boeny. Mampiavaka azy ny fisian’ny rohivoahary samihafa, toy ny ala maina matevina, ny faritra mando an-tanety (farihy sy renirano) sy an-dranomasina, ny ala honko, sns.
Ao anaty sokajy fahadimy, araka ny fandaharana iraisam-pirenena IUCN, Faritra Arovana ny CMK. Izany hoe, mirindra ny tontolo manodidina ary afaka miaina ny mponina. Ahitana karazana zavamananaina maro any an-toerana, ka nosokajiana ho Faritra manan-danja mila arovana ny vorona (Zico). Mahatratra 161 ny karazam-borona, manome ny 52,27% amin’ireo karazany 308 misy eto Madagasikara. Hita anaty ala ny 75 amin’ireo ary anaty rano ny 86. Misy ny miaina an-tanety, ny an-dranomamy, toy ny any amin’ny farihy Kinkony sy ny renirano Mahavavy ary ny ala honko. Misy koa ny vorona mpifindra-monina, hita eny amorontsiraka. Hita any amin’ny Nosikely Maroandavy, any Makary koa, ny ala satrana ahitana ramanavy. Tena tandindomin-doza ny voromahery Ankoay, ny vorondrano ganagana izay miisa 6, … Anisan’ny tsy fahita raha tsy any an-toerana sady arovana mafy ny Vorofaly. Miisa 10 ny karazana ramanavy, karazana varika 7, biby mandady sy mikisaka 27 ary tena tandindomin-doza ny sokatra an-tanety antsoina hoe Rere.
Mahatratra 141 ny karazan-javamaniry, ka tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ny 115 (82%). Tsy misy afa-tsy any an-toerana ny 4. Ao anatin’ny faritra mando Ramsar ny CMK, sady tanàna Ramsar faha-18, hany misy eto Madagasikara, ary faha-75 maneran-tany.
Fiarovana sy fampandrosoana
Miara-mitantana ny CMK ny fikambanana Asity Madagasikara sy ny vovonana Marambitsy miahy ny zavaboahary (MMZ), ahitana Vondron’olona ifotony miisa 13. Nambaran’i Tsiavahananahary Tsaralaza Jorlin, mpahay ny biby sy ny vorona, tomponandraikitry ny Fiarovana ny karazan-javamananaina ao amin’ny Asity Madagasikara, fa : “hifantohana ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny fampandrosoana ny fari-piainan’ny mponina”.
Tsindry tena mpahazo any an-toerana ny doro ala sy tanety, ny fandripahana ala sy ny ala honko. Eo koa ny fampiasana harato tsy manaraka ny fenitra sy ny jono tafahoatra, ny fanaovana tanimbary ny honahona, ny fitrandrahana ny ambanin’ny tany ary ny fiovan’ny toetr’andro.
Njaka Andriantefiarinesy




