Taona maromaro no tsy nahitana ny tarika Ny Railovy teny an-tsehatra. Omaly, nifampizara fitiavana izy ireo sy ny mpijery. Nampihetsi-po ny seho.
Andaniny, « afaka hetaheta » ny mpijery. Ankilany, nahazo antoka ny tarika Ny Railovy fa mbola tena manana ny maha izy azy ireo hira noforonina tany amin’ ny 70 taona lasa. Nifamaly fitia ny tarika Ny Railovy sy ny mpijery, omaly, nandritra ilay fampisehoana « Ny Railovy 70 2.0 » teny amin’ny CCI Ivato. Tsapa avy hatrany ilay embona sy hanina teo amin’ny roa tonta. Ireo hira niala avy eny an-tsehatra, narahin’ny mpijery avokoa. Rehefa ela tsy nifankahita. Nifamatotra akaiky ny tarika Ny Railovy sy ny mpijery.
Nanamafy ilay fifamatorana rahateo ny ezaka nataon’ ireo mpitendry sy ireo mpihira, tsy nanova fa nitazona araka izay azo atao ny tany amin’ny fototra. Nohajain-dry zareo fatratra ny namoronana sy nandrindrana ny hira, hany ka tsapan’ny mpijery avy hatrany ireo mampiavaka ny tarika Ny Railovy hatramin’izay. Tononkira mafonja, feo tsara rindra, fandrindrana tsotra kanefa mifono zava-dalina, sns.
Tsetsatsetsa tsy aritra, anisan’ny nanome aina lehibe ity fampisehoana ity ihany koa ny ravaky ny sehatra (jiro isan-kazarany…), ny fisian’ny « Ecran geant » izay naneho an-tsary ireo voarakitry ny tononkira na ny tiany hambara… Tsy mety lany tsiro ny « Romy », « Bao », « Veloma namako », « Tadidinao ve ?», sns
HaRy Razafindrakoto




