Mahaleo, Lolo sy ny tariny ary Samoëla. Tamin’ny ankapobeny, ny mampiray ireo tarika ireo no nozaraina maro indrindra teny amin’ny ankalamanjanan’ny CCI Ivato, omaly, nandritra ny fampisehoana « Revirevy mody masoandro ». Anisan’ireny ny feon-gitara, tononkira mampita hafatra goavana be, revy… Nohamaroina ireo hira nohiraina niaraka. Nampanantena revy milay i Samoëla. Niraisan’ny teny an-tsehatra sy ny mpijery ihany koa io.
Anisan’ny mampiray ireto tarika sy mpihira ireto ny fananana hira maneho ny atin’ny fiarahamonina iray manontolo. Tononkira tsotra, mora raisina, kanefa manabe sy mitaiza izay maheno azy. Tamin’ity andiany fahefatra ity ihany koa no nahitana ny fanomezan-danja ireo hira rehetra tsy afaka am-bavan’ny maro. Mihamafy hatrany ny firaisan-tsaina sy firaisam-po ho an’ ireo mpijery « Revirevy mody masoandro », tonga maro. Io raikipohy io no tazana teny an-toerana, izay manamafy ny nambara mialoha ny fampisehoana: « revy mandeha ». Anisan’ny nisongadina be sady nampiray ny teny an-tsehatra ilay traikefa ananan’ny tsirairay. Tafapaka tany amin’ ny mpijery avy hatrany izy io.
Manamafy izany ny nambaran’i Dama. « Miainga amin’ ny fifankahazoana am-po eo aminay mpanakanto izy ity. Miaraka mirevy izahay. Avy eo miaraka aminareo rehetra. Mbola tsy kivy izahay na dia miha sarotra aza ny mihaino tononkira amin’izao, satria mbola eo ianareo », hoy izy.
HaRy Razafindrakoto




