Tarika ‘Zay 30 taona : Seho nitobahan’ny fihetseham-po

30 taona nivoizana hira mampihetsi-po. Faharoa, seho lehibe anisan’ny nanamarika ny tsiahy ho an’i Nary. Fahatelo, saika niverenana avokoa ireo hira nanoratra tantara ho an’ny mpijery. 30 taona nahitana ny mangidy sy ny mamy. Ny ratsy sy ny tsara ny tarika ‘Zay. Vao mainka nanamafy io fitobahan’ny fi­hetseham-po io ny fahamarinan’ilay nambaran’i Malala andro vitsy mialoha ny fampisehoana, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina. « Ny fahabangana mitoetra eo foana, satria, tsy misy hahasolo an’i Nary na teo amin’ny famoronana na ny fihirana.
Ny firaisam-pon’ny mpankafy kosa no nampitoetra ny tarika », hoy izy.
Raha tsiahivina, efa handray ny faha-5 taona no nanohy ny diany tsy nisy an’i Nary ny tarika ‘Zay. Nisy mpikambana hafa, toa an’i Nantenaina sy i Mikakely koa efa nodimandry. Manohy ny lalana kosa i Malala, Haingo, Mamy, nampian’i Tovo, Miora, sns.
Tsapa teny an-toerana fa na maro aza ireo hira nanamarika ny 30 taona nodiaviny, saika ireo hira tena maro mpankafy no nentin’ny tarika teny an-tsehatra. Na maro kokoa aza ny tanora, tsikaritra ihany koa fa manana ireo mpankafy tsy nisaraka taminy nanomboka tany amin’ny 30 taona lasa ity tarika ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: