Vehivavy 22 taona sy zazavavikely 2 taona hitan’ny tomponandraikitra nirenireny teo anoloan’ny Kaomisarian’Ambohimanarina, ny zoma 24 jolay 2026, tamin’ny 12 ota atoandro. Nahafahana nifandray tamin’ny fianakaviany ny laharana finday iray nomen’ilay vehivavy. Fantatra tamin’izany fa efa notadiavin’ny havany tany Manjakandriana izy mianaka ireo. Natolotra ny Cellule d’enquête mixte Tsaralalàna ny raharaha, nanohizana ny fanadihadiana.




