Nirehitra ny tsenan’Anosibe, omaly tamin’ny 9 ora halina. Tsena efatra indray nirehitra ka roa no tena voa mafy. Kojakoja momba ny plastika sy vy toy ny vilia sy kaopy no voalaza fa tena nirehitra. Ireo trano fivarotan-damba ary kapa no tena nahitana fahavoazana. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina namono ny afo ka voafehy ny firehetana. Raha ny fanazavana, tsy mbola fantatra ny antony nahatonga ny loza fa tombanana ho fipoahana herinaratra no nahatonga ny afo. Tsy nisy olona nipetraka tao anaty tsena fa mpiambina ihany. Tonga teny an-toerana ny polisy nisahana ny fiambenana sy nanao fanadihadiana.
Mino




