Fahatapahan-jiro sy antony hafa: Mampiahiahy ny Jirama ireo tranga tato aho ato

Maro ny tranga niseho tato ho ato manodidina ny famatsian-jiro eto Antananarivo. Mampiahiahy ny fisehony, ka voatery manao fanadihadiana lalina iombonana ny mpitantana ny Jirama sy ny mpitandro filaminana.

Nitondra fanazavana, omaly tolakandro, ny tale jeneralin’ny Jirama, ny jeneraly Rasolomanana Andriamalala Richard sy ireo mpitarika sendika ao amin’ny orinasa. Noresahina ny zava-mitranga tato ho ato sy ny fepetra noraisina. Notsiahiviny ny fanambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny amin’ny tokony hanafainganana ny famerenana amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra ataon’ny orinasa Enelec. Eo koa ny fanadihadiana parlemantera ataon’ny Antenimierampirenena. Manampy ireo ny fiarabe mpitatitra solika, nibahana ny lalana, tokony hitatitra solika mankeny Ambohimanambola, ny 20 jolay teo. Nahavariana ny Jirama io fibahanan-dalana io satria nilaza ny tompon’ilay fiarabe fa izy ireo ihany no mahazo manala azy eo. Ary teo koa ny firehetan’ny toby an’ny HFF eny Ambohima­nambola, ny alahady 26 jolay teo. Soa, fa voafehy ny afo, saingy tapaka tanteraka ny jiro teto Antananarivo. Nilaza ny DG ny Jirama fa «misy zavatra mampiahiahy ireo rehetra ireo, fa toa alefa aty amin’ny Jirama foana ny olana».
Tsy voahaja ny fifanarahana
Ankoatra ny RIA eto An­tananarivo, nanazava ny tale jeneraly, fa mahatratra 0,2 MW ny vokatra herinaratra tsy ampy (Gap) any Antsiranana. Tsy ampy 7,1 MW ny any Toamasina teo aloha, fa niakatra ho 10MW, ankehitriny. Raha ny tokony ho izy, ny Enelec no miantoka ny famokarana herinaratra any An­tsiranana, Mahajanga, Toa­masina ary Toliara. Saingy tsy izany ny zava-misy fa manampy ny vokatra ny Jirama, nampiditra 5,6 MW. Nampiditra 8,6 MW ny HFF tany Maha­janga, sns.
Manoloana ireo, handray fepetra ny Jirama mahakasika ireny fifanarahana amin’ny orinasa tsy miankina ireny, raha tsy miverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra. Hisy koa ny fanadihadiana iombonana amin’ny zandarimaria sy ny polisy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: