Fampahafantarana boky: Mpanoratra telo, hizara ny niainany

Boky telo, mirakitra tantaram-piainana telo. Ny itoviana, samy niainan’ireto andriambavilanitra ireto ny aingam-panahy anatin’ireo vokatra.

Ary raha havadika ho boky ny tantara niainana? Tsy nijanona ho tetikasa fa tena notontosaina ny an’i Viviane Rahariniaina, Lova Fanambinasoa ary Marianne Razaf. Tantaram-piainana tsy misy mitovy akory, saingy samy nosoratana andriambavilanitra malagasy, mila ravinahitra any ivelany. Noho izay fifandraisana izay, hisy ny fampahafantarana ny sanganasan’ireto mpanoratra ireto, rahampitso 29 jolay, manomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy.
Tsy fampahafantarana fotsiny, fa arahina atrikasa miaraka amin’ireo mpanoratra ny fotoana. Hiresadresahana ny andinindininy rehetra amin’ny lalana nodiavin’izy telo vavy, na voarakitra na tsia anatin’ny boky tsirairay. Fampitana mivantana ny hafatra miabo, izay tena tanjon’ny famoahana ihany koa, ny fotoana. Malalaka ireo izay hanatrika amin’ny fanontaniana ho an’ireo mpanoratra. « Ny hampiavaka azy dia tsy hody maina aloha ireo ho tonga satria natao ifanakalozana Ilay sehatra. Hizaranay ihany koa ny ampinga nentinay nihoatra ny lalan-tsarotra nandalovanay sy nanatanterahanay ny tanjona», hoy ny fanazavan’i Vivianne Rahariniaina.
« Entière et vivante », ny an’i Marianne Razaf. Zarainy ao ny lalany, nanomboka tany amin’ny fahalavoany, nandalo ny nanarenan’Andriamanitra azy, hatraty amin’ny nandraisany an-tanana indray ny fiainany manontolo, anatin’ny fanantenana tanteraka. «Lova, une petite fille rêveuse», kosa ny bokin’i Lova Fanambinasoa. Miainga amin’ ilay «Lova be lelo teny Besa­rety», araka ny fitantarany azy, tonga amin’ilay Lova araka ny nofinofiny fahazaza, izany. Mirakitra ny lalana mafy nodiaviny, ny fomba nihoarany izany ary ny misy azy amin’izao fotoana io. «Bâtir l’espoir» ny sanganasan’i Vivianne Rahariniaina. Ma­nodidina izay ady sy tolona atrehina, indrindra ho an’ny vehivavy sy ny fiatrehana izany.

Zo ny Aina

Partager sur: