FNDI S.A : Rafitra ara-bola hampandrosoana ny indostria

Dingana lehibe eo amin’ny politikam-pampandrosoana ny indostria eto Madagasikara ny fananganana ny Fonds national pour le développement industriel (FNDI S.A.). Natsangana araka ny fepetra voarakitry ny Lalàna laharana faha-2017-047 momba ny Fampandrosoana ny indostria izy io. Rafitra natao hanohana ara-teknika sy ara-bola ireo indostria malagasy. Tanjona ny hanamora ny fahazoan’ny mpandraharaha famatsiam-bola, hampivelatra rafitra fiantohana sy fiaraha-mamatsy vola. Kendrena ihany koa ny hampiroborobo ny fikarohana, ny fanavaozana ary ny fampiasana teknolojia vaovao eo amin’ny sehatry ny indostria. Hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fandraharahana ny FNDI. Ny indostria izay sehatra mpanodina ny harena sy ny vokatra misy eto amintsika. Ha­namafy ny fifaninanana ara-toekarena sy hampitombo ny lanjan’ny vokatra malagasy ihany koa ny rafitra. Mandray anjara ao amin’ny renivolan’ny FNDI S.A, amin’ny taha 5 %, miaraka amin’ny fanjakana malagasy, ny Conseil national de l’industrialisation de Ma­dagascar (CNIM), ny Sonapar ary ny EDBM. Maneho ny finiavan’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka aminy hametraka rafitra ma­haritra hanohanana ny famokarana indostrialy izany. Hi­sarihana ny fampiasam-bola ary hampitombo ny anjara birikin’ny sehatry ny indostria amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny famoronana asa eto Madagasikara ihany koa ny FNDI.

Henintsoa

Partager sur: