Hoy ny Mpitandrina Ravelojaona hoe: « Ny mpanoratra boky dia mpampianatra sy mpitari-dalana ». Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 25 jolay 2026, tao amin’ny tranombokim-pirenena Anosy, ny boky voarakitra anatina takila 83 pejy mitondra ny lohateny hoe : «Mikabaria». Boky talaky mandehan’ny kabary, nosoratan-dRamarolahy Maholy Nirilala, mpampianatra, mpanoratra sady mpikabary voarabe Fimpima. Boky fampianarana mandaha-teny sy mikabary ity boky ity. Ny filohan’ny Havatsa Upem, Hajaina Andrianasolo no nanao ny aingan-takotra sy ho teny fanolorana ny boky izay nilaza fa tanteraka ny tenin-dRandja Zanamihoatra hoe: «Mamoha ny fientanana tsy mbola tafapoitra ny soratra». Nambaran’ny mpanainga takotra fa fanomezana paika sy torolalana ho an’ireo sokajin’olona hikabary izy ity. «Efa ireo ny paika sy torolalana fa Mikabaria amin’izay. Raiso ny boky fa ho tonga mpandaha-teny an-kavoriana amin’ny fotoana rehetra ianao», hoy i Hajaina. Nanamafy kosa ny mpanoratra ny boky fa natao ho an’ireo mbola tsy mahay mandaha-teny na tsy mahay mikabary mihitsy kanefa tsy maintsy handray fitenenana ny boky «Mikabaria». «Mba tsy hisy intsony ny famindrana iraka amin’ny hafa rehefa handray fitenenana fa ho sahy hijoro imasom-bahoaka na dia anatina fotoana fohy aza», hoy Ramarolahy Maholy Nirilala. Misongadina ao anatin’ny «Mikabaria», araka izany, ny arofenitra rehetra raha handray fitenenana. Eo koa ny raiki-pohy arahina mba tsy hananosarotra ny mandaha-teny na ny mikabary. Hanome vitrika hikabary ny boky «Mikabaria» satria misedra olana na mamindra iraka rehefa tsy mahay mandaha-teny. Santionany amin’ny «Mikabaria» izany fa ao anatiny no mameno azy.
Jean Claude




