Lehilahy miisa roa avy ao Anteninambo, fokontany Sandrangato, kaominina Roraly Ambodilazana, saron’ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Toamasina, afakomaly 26 jolay 2026. Nahatrarana vola sandoka mitentina 3 405 000 Ariary teny amin’izy ireo. Nahitana 20 000 Ar miisa 54 sy 5 000Ar 465 isa ireo vola tsy tena izy. Tratra teny amin’izy ireo ihany koa ireo fitaovana fanamboarany izany, toy ny imprimante photocopieuse miloko fotsy iray, ranomainty miloko miisa efatra, Seringue misy ranomainty efatra, hety be iray, antsy iray, fonosana taratasy fotsy iray marika paper one ary taratasy miparitaka maro. Efa nahitana sarin’ny vola sandoka 20 000Ar tamin’io taratasy iray io nandritra ny fisavan’ny zandary azy ireo. Nosamborina sy nentina nohadihadiana eny amin’ny biraon’ny zandary izy roa lahy taorian’izay. Niaky ny heloka vitany ireto farany ary nilaza fa efa nanaparitaka vola sandoka maromaro tao amin’ny fokontany Sandrangato sy Saranasy, kaominina Ambodilazana. Efa maro, araka izany, ny vola sandoka naparitak’ireo mpano hosoka ireto nandritra ny fotoana lava nanaovany io asa ratsy io. Fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana sy nahatrarana azy ireo.
Manentana ny mponina sy ny olona tsirairay hatrany ny zandarimariam-pirenena mba hanara-maso sy hanamarina ny vola ampiasaina eny rehetra eny. Entanina hatrany koa mba hanatitra ireo vola sandoka any amin’ny mpitandro filaminana raha sanatria ka mahita izany. Marihina fa monina ao Anteninambo, kaominina ambanivohitra Ambodilazana sy ao Verrerie Toamasina izy roa lahy ireto.
Mino /Sajo




