Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo ny delegasionina avy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena atsy Seychelles. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ifanakalozana traikefa hampiroboroboana ny seranam-piaramanidina izany. Natao ny 20 hatramin’ny 22 jolay teo, nijerena ny lanjan’ny asa atao, ny lafiny teknika sy stratejika, fototry ny fitantanana ny seranam-piaramanidina ny fihaonana. Toy, ny fitantanana ny fotodrafitrasa, ny fanatsarana ny fikarakarana ny mpandeha ary ny fijerena miaraka ny fifandraisana ana habakabaka aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Ao anatin’izany ny fanavaozana ny fotodrafitrasa sy ny fampiasana ny teknolojia niomerika.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre, fa fiaraha-miasa matotra izao iarahana amin-dry zareo avy atsy Seychelles izao. Tanjon’ny roa tonta ny hisian’ny fifandraisana matotra, azo antoka ary maoderina. Iombonana ny hananan’ny zotra ana habakabaka hoavy mamiratra aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Mpiara-miombon’antoka tsy afa-misaraka i Madagasikara sy Seychelles. Ankoatra ny fitetezana ireo fotodrafitrasan’ny seranam-piaramanidina Ivato, nitsidika an’Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara ihany koa, ireo delegasionina vahiny.
Njaka A.




