TARATRY ny KANTO

Nomarihina omaly ny faha-30 taonan’ny Aceem Radio. Onjampeo miompana amin’ny fanabeazana sy ny fampiroboroboana ny kolontsaina izy ity. Tonga nanatrika ny fankalazana, teny amin’ny foibeny eny Faravohitra, ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa. Ankoatra ireo fandaharana mahakasika ny fanabeazana, mampiavaka ny Aceem Radio ny famokarana tantara an’onjampeo sy ny fandefasana hira malagasy, araka ny teny fanevany hoe « Kanto ny hira malagasy ».

Namoaka ny tantara an-tsary « Les ombres des soirs, une fugue d’Arthur Rimbaud », i Liva Rajaobelina. Mpanao tantara an-tsary, teratany malagasy izy, izay niara-niasa tamin’i Joan de Crane nandrafitra ny tantara. Mitantara ny fiainan’ilay mpanoratra frantsay Arthur Rimbaud tamin’izy 16 taona ny boky, izay hampahafantarina amin’ny faran’ity herinandro ity, etsy amin’ny IFM Analakely.

Tsy tontosa ilay seho tokony ho nataon’ny tarika Mage 4 tetsy Itaosy, ny alahady teo. Anisan’ireo hetsika be mpiandry taorian’ny fahavitan’ny fanadinana Baccalauréat izy io, saingy ny sabotsy no namoaka fanambarana ny tarika fa tsy afaka ny hanatanteraka izany. Avy amin’ny mpikarakara tanteraka ny antony, raha ny fanambarana, ka nanaovan’ny tarika fialantsiny ho an’ireo mpankafy azy.

Partager sur: