Tonga any Toamasina, nanomboka ny 23 jolay teo, ny iraky ny Banky iraisam-pirenena (BM). Hanadihady ny zava-misy mahakasika ny famokarana herinaratra any an-toerana ny anton-diany. Anisan’ny hotsidihiny ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha solika an’ny Jirama, ny toby mandeha solika sy amin’ny herin’ny masoandro an’ny Enelec. Hojerena koa ny asa fanarenana ny zotra mitondra herinaratra any Volobe I sy ireo toby madinika an’ny Jirama. Haharitra 4 andro ity fitsidihana ity.
Mikarakara ny fifaninanana “Tsinjorano” ny minisiteran’ny Fambolena (MiASA). Natokana ho an’ny tanora, tantsaha mpamboly sy mpiompy, mpikaroka, izay mivondrona anaty kaoperativa na fikambanana na olon-tokana. Mampiasa teknika na manana vahaolana sy fahaiza-manao vaovao amin’ny fanondrahana na ny fampiasana ny rano. Nisokatra ny 1 jolay teo ny fifaninanana ary mifarana amin’ny 30 septambra 2026. Miditra ao anatin’ny tranokala www.tsinjorano.mg ny fandraisana anjara.
Notsidihin’ireo mpandray anjara tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena APM9-AFR100, tany Nosy Be, ny fanarenana ny ala honko. Miara-mitantana ny toerana ny Vondron’olona ifotony (VOI) sy ny Foibe fampiroboroboana ny tanàna (CDV) Ylang Ylang, izay mamokatra ilomenaka. Fandraharahana maitso iarahan’ny tantsaha sy ny orinasa Jacarandas.




