Vokatra avy amin’ny voatabia voahodina : Mihatra ny haba fanampiny 40%

Miaro ny famokarana sy ny fanodinana eto an-toerana. Izay no tanjon’ny Fahefana nasionaly misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC) amin’ireo vokatra avy amin’ny voatabia voahodina hafarana. Mihatra mandritra ny efa-taona ny haba fanampiny ho an’ireo vokatra voalaza.

Nihatra nanomboka ny 1 jolay 2026 ny haba fanampiny 40% (prix Caf) mandritra ny efa-taona, araka ny fepetra eken’ny Fi­kambanana iraisam-pirenena momba ny varotra (OMC). Fe­petra natao hiarovana ny tsena sy ny vokatra eto an-toerana izy ity. Hisitraka tombontsoa mivantana ireo orinasa madinika sy salantsalany miasa amin’ny fanodinana voatabia sy mpifaninana amin’ ireo vokatra hafarana. « Misy amin’ireo vokatra voahodina hafarana no hamidy amin’ny vidiny ambany noho ny sandan’ny kapoaka ampiasain’ny mpanodina eto an-toerana », raha ny fitarainan’ny mpandraharaha iray. Tranga mampiahiahy manoloana ny firafitry ny vokatra sy ny vidiny eny an-tsena. Ankilany, manodidina ny 2 400 taonina (t) isan-taona ny vokatra avy amin’ny voatabia hafaran’i Madagasi­kara, mahatratra 400 000 t kosa ny vokatra eto an-toerana. Sehatra azo trandrahina ny fanodinana izany eto amintsika. Mitombo ny fividianana ny vokatry ny tantsaha rehefa mitombo ny orinasa mpanodina.

Vahaolana
Mora simba ny voatabia. Midina ny vidiny, betsaka ny very noho ny tsy fahampian’ny fitahirizana sy ny fanodinana. «Vahaolana ny hampitomboana ny fanodinana ny vokatra. Voakasik’izany koa ireo voankazo samihafa», hoy ny ANM CC. Mihatra nanomboka ny 1 jolay 2026, mandritra ny efa-taona ihany koa, ny haba fa­nampiny 32% amin’ireo ra­nom-boankazo sy zava-pisotro misy tsirom-boankazo na­farana. Tanjona ny hanamafy ny fanodinana eto an-toerana sy hampihena ny fiankinandoha amin’ny fanafarana. Rafitra ahafahan’ny orinasa malagasy manatsara ny rojom-pamokarana ka hivelarany eo amin’ ny tsena anatiny. Hampan­drosoana ihany koa ny toekarena sy hamorona asa maharitra.

Henintsoa

Partager sur: