Efa mijoro ny tambajotra parlemantera ho an’ny rariny ara-pananahana eny amin’ny Antenimierampirenena. Andraikitry ny depiote, rahateo, ny manao lalàna sy manatsara ny lalàna efa misy, ka andrasana aorian’ny atrikasa ny fanavaozana ny lalàna momba ny VIH/ Sida, araka ny nambaran’ny filohan’ny tambajotra, Dr Rajaobelina Lova. Ankoatra izay, manao adisisika amin’ny fanjakana hanokana vola ho an’ny ady amin’ny VIH sy ny SDSR ny depioté. Tsapa fa mbola miankindoha amin’ny mpiray ombon’antoka i Madagasikara amin’io sehatra io. Tokony ho hita taratra amin’ny tetibolam-panjakana io fandraisana anjaran’ny fanjakana io.
Iarahana amin’ny Fihaonambe parlemantera eo anivon’ny SADC ny atrikasa. Mpikambana ao i Madagasikara ka misy lalàna lasitra izay tokony hoezahina hampiharina eto amintsika. Tafiditra amin’izany ny lalànam-paritra entina hanatsarana ny lalàna momba ny VIH/Sida sy ny SDSR eto amintsika. Ho antsika manokana, misy zo tsy mbola feno tokony hiadiana, indrindra ho an’ny SDSR: fotodrafitrasa any ambanivohitra, fitaovana sy fanafody fandrindrana fiainam-pianakaviana…
1,1% ny tahan’ny tsimokaretina eo amin’ny vehivavy bevohoka
« Raha ny fanadihadiana natao farany tamin’ny vehivavy bevohoka, mahatratra 1,1% amin’izy ireo no mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Azo ambara fa efa miparitaka amin’ny olon-drehetra ny VIH, satria azo itarafana ny zava-misy amin’ny mponina ny taha », hoy ny lehiben’ny fandaharanasa ady amin’ny IST/VIH –Sida ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, DR Rakotoherimora Norosoa. Tanora, olona any amin’ny fonja sy ireo zaza izay tsy voaaro no mitondra ny tsimokaretina. “Tany aloha, voafaritra mazava ny olona hanaovana ny asa. Ankehitriny, atao faobe ny paikady ka ny Fonds mondial sy ny fanjakana amerikanina no manome tohana ara-bola”, hoy ny tale jeneralin’ny fitsaboana fisorohana, Dr Rakotoarimino Andrianina Désiré.
Vonjy




