Hanomboka ny 30 jolay ny sidina voalohany mampitohy ny firenena roa tonta, taorian’ny fiatona aman-taona. Hisy sidina roa isan-kerinandro, isaky ny alakamisy sy alahady.
Vita sonia omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Madagascar Airlines sy ny AFG Bank Madagascar ho fanamarihana ny fiverenan’ny sidina ana habakabaka Antananarivo–Mahajanga–Moroni. Hetsika natao teo anatrehan’ny Masoivohon’ny Firaisan’i Comores eto Madagasikara, Caabi Elyachroutu Mohamed, sy ireo “diaspora” kaomorianina monina eto Madagasikara. Mifototra amin’ny fisian’ny vondrona AFG eto Madagasikara sy any Comores ity fiaraha-miasa ity. Tanjona ny hanamafy ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-bola eo amin’ireo firenena roa tonta. Hanohanana ihany koa ny fivezivezen’ny mpandeha, ny mpandraharaha ary ny mpampiasa vola. Hotanterahina rahampitso ny sidina hanokafana izany, izay hanamarika ny fiverenan’ ny zotra mivantana mampitohy an’i Madagasikara sy Comores, taorian’ny fahatapahana nandritra ny taona maro. Hisy sidina indroa isan-kerinandro, isaky ny alakamisy sy alahady.
Sehatra stratejika
“Dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny fifandraisana ara-tantara sy ara-pirahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta izao fiverenan’ny sidina izao”, hoy ny masoivohon’i Comores miasa eto Madagasikara. “Maneho ny fanoloran-tenan’ny vondrona AFG amin’ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Comores ity fiaraha-miasa ity”, hoy kosa ny Tale jeneralin’ny AFG Bank Madagascar, Kadiatou-Ina Diallo. Hisy ny tolotra mifanaraka amin’ny filan’ny olon-tsotra sy ny orinasa, hanamorana ny fampiasam-bola sy ny fifanakalozana.
Nanamafy ny Tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Rabarilala Rado, fa “anisan’ny paikady apetraky ny kaompania ny hanamafy ny fifandraisana eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Ilaina ny miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka matanjaka hampandrosoana ny fitaterana ana habakabaka sy hanomezana tolotra manara-penitra ho an’ny mpandeha ». Hiverina tsy ho ela ihany koa ny sidina mampitohy an’Antananarivo sy Guangzhou.
Henintsoa




