Anisan’ireo tarika zokiny nivoy ny rock mavesatra teto Madagasikara ny tarika Tselatra. Mbola manohy ary mbola arahin’ny mpankafy hatrany. Hosokafana etsy Antsahamanitra ny fankalazana.
“…Tia anao foana”. Io no nosafidiana ho lohatenin’ny fampisehoana hataon’ny tarika Tselatra ny alahady 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora, etsy Antsahamanitra. Ivon’ny fanamarihana ny faha-45 taona nisian’ny tarika izy ity, no sady fotoan-dehibe hifanomezana amin’ ireo mpankafy nanjohy hatrizay. Nisy ny fampahafantarana ny andinindininy, omaly, tetsy amin’ny Pho Resto Ankorondrano.
“Zava-dehibe ho an’ny tarika sy ny mpankafy io fotoana io. Raha namorona ny tarika aho tany am-boalohany, ny fitiavako ny mozika no nitondra azy. Sady nianatra no nanao mozika tamin’izany. Taty aoriana, naka toerana lehibe tato anatiko sy tamin’ ny fiainako manontolo ny mozika ary hatramin’izao”, hoy ny nambaran’i Erick. Efa elaela izy no tonga eto an-tanindrazana, hiatrika ny fankalazana miaraka amin’ireo namany rehetra mandrafitra ny tarika. “Nisy ny tsy fahasalamana amin’ny maha olombelona, nisy tsy fetezana tamin’ny masoko, isaorana an’ Andriamanitra fa saika tsy nahita intsony aho. Ny faniriana dia hiverina soa aman-tsara ny fahasalamana. Efa metimety izao, fa mbola tsy tena mahita tsara”, hoy ny fanamafisan’i Erick mahakasika ny tsy fahasalamany, tsy nahafahany nanatontosa ny seho nialoha izao.
Efa tsara omana kosa ny amin’ny alahady, raha ny fanazavan’ny tarika. “Hisy namanay maromaro ho avy hifanotrona eny an-tsehatra amin’io. Tsy tena hoe vahiny ireo satria nifampizara ampaham-piainana tamin’ny tarika ihany. Eo i Lija, Abass, Nix, sns”, hoy kosa i Tita. Satria tokoa tantara miaraka amina fahatsiarovana maro no hofohazin’ireo hira halahatry ny tarika mandritra ny seho. “Maro ny hira vaovao na ny efa taloha tsy dia fanao, saingy ireo efa hainy ihany no tadiavin’ny mpakafy. Fa hiezaka ihany izahay hizara ny hira vaovao”, hoy hatrany i Erick.
Zo ny Aina




