Hiova amin’ny mahazatra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Sehatra Bagasy ny volana aogositra izao ny Atrikefa/Zarasehatra « Zafy manahaka ». Hotanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Antsahavola, ny sabotsy 8 aogositra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, izany.
Seho sy fifanakalozana hotontosain’ireo zafin-dRakotoarisoa Ar-Well, mpitendry raikitry ny tarika Samuel Rahamefy. Anisan’ny nampanakoako ny talentany ny hira
« Maty ilay masoandro », « Ry vorona miatsinanana », sns. ireo taranaka ireo no hanolotra hira klasika, jazz, bagasy, arahina amin’ny zavamaneno « violon » sy piano. Marihina fa misy hatrany ny sehatra malalaka ho an’ireo rehetra tonga eny an-toerana. Tahaka ny mahazatra hatramin’izay, tsy misy ny vidim-pidirana.
Marihina fa iray amin’ireo karazan-kira na gadona tranainy heno eto Madagasikara ny bagasy. Manome lanja ireo singa rehetra ao anatin’ny hira izy. Laharam-pahamehana kosa ny fampitana hafatra ao anatin’ny fanajana ny soatoavina.
Anisan’ny tanjona ho an’ ny mpitantana ny Sehatra Bagasy kosa ny hahafantarana sy hiainan’ny Malagasy tsirairay ny bagasy sy ny soa omeny.
HaRy Razafindrakoto




