Tafatsangana ny sehatra ana habaka: Fitorohana ny herisetra sy ny fahaverezan’olona

Tafatsangana sy natolotra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy Anosy, ny sehatra ana habaka, izay ahafahana mitoroka sy mampilaza ireo trangana herisetra mifototra amin’ny miralenta. Hampi­lazana ireo tranga fahaverezan’olona miseholany eto amin’ny Nosy koa. Nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de Police, Erick Michel. Tanjona ny hanamorana ny fitorohan’ny olom-pirenena ireo trangana herisetra amin’ ny endriny maro sy ny trangana fahaverezan’olona. “Mano­hy sy manavao ny fomba fiasa sy ny fitaovana ampiasain’ny polisim-pirenena mba hahafahana miaro bebe kokoa ny ain’ny vahoaka sy mampanjaka filaminana manerana an’i Madagasikara”, hoy ny minisitra.
Nambarany koa fa hampihena ny herisetra sy trangana fahaverezan’olona ny fampifangaroana ny fahaiza-manaon’ny mpitandro filaminana sy ny teknolojia ary ny fiaraha-mientan’ny vahoaka. Afaka miditra amin’io sehatra niomerika io avokoa na ny solosaina na ny finday «androïd» rehefa misy fahana internet. “Aha­fahana manome angom-baovao mahakasika ny herisetra mianjady amin’ny maha lahy na vavy ary ny trangana fahaverezanan’olona izy io”, hoy ny Commissaire de police, Randriamanohisoa Tovo­hery Hajanirina, directeur des systèmes d’information et des transmissions. Namba­ran’izy ireo ihany fa azo atao ny mitoroka tsy mitonona anarana ary ho tsiambaratelo hatrany izany. Entanina, araka izany, ny vahoaka mba hampiasa ity sehatra niomerika ity. Azo atao koa ny manatona ny kaomisaria akaiky indrindra raha sendra misy tranga mila fampandrenesana. Ity ny rohy ahafahana miditra amin’io sehatra ana habaka io: https://www.vbg.pn.gov.mg

Mino

Partager sur: