Efa lasa lavitra koa ny Malagasy amin’ny « jeux vidéos ». Hotontosaina ny 28 hatramin’ny 30 aogositra ho avy izao ny « Moor1ng », etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Ity fifaninanana ity no hitiliana izay ho solontenan’i Madagasikara any amin’ny « Tekken World World Tour », izay hifandonan’ireo tompondakan’ny firenen-drehetra handray anjara. Nampahafantarina tetsy amin’ny Yas Madagascar ny mombamomba ny fifaninanana, izay iarahan’ny Yas sy ny fikambanana Tekken Madagascar mikarakara. Anisan’ny zava-baovao vao mainka mampisongadina ny andiany amin’ity ny fidiran’i Miary Zo, izay naka endrika tovovavy malagasy anatin’ny Tekken 8. Noho izay fiakaran’ny lentan’ny « Moor1ng » izay, misy mihitsy ireo mpifaninana avy any ivelany no mandray anjara aty.
Zo ny Aina




