Misokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Tsenabe Meva amin’izao, taorian’ny maha foaram-paritra azy. Dingana lehibe eo amin’ny fampiroboroboana ny toekaren’ny faritra Diana sy hanamafy ny fiaraha-miasa ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny any ivelany izany.
Nankasitraka ny ezaka nataon’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria (CCI) Antsiranana, tarihin’i Laou-Po Wing Wilfrid, ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana, nandritra ny lanonam-panokafana, omaly. Hetsika hanomezana sehatra ny mpandraharaha. « Fitaovana iray lehibe hampifandraisana ny mpandraharaha, hampahafantarana ny vokatra sy ny tolotra malagasy ary hanamorana ny fidirana amin’ny tsena anatiny sy iraisam-pirenena ny tsenabe Meva », hoy izy tamin’ny lahateniny. Nohamafisiny fa mitondra anjara biriky lehibe amin’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola sy ny fampandrosoana ara-toekarena eny ifotony ny hetsika tahaka izao.
Mandritra ny hefarana, tranoheva miisa 115 no misokatra ho an’ny mpitsidika. Mampiranty ny vokatra sy ny tolotra ataony ireo orinasa sy mpandraharaha avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Mandray anjara amin’izany ihany koa ireo mpandraharaha avy any Mayotte sy La Réunion, izay manamafy ny maha iraisam-pirenena ny foara amin’ity andiany ity.
Tetikasam-pampandrosoana
Anisan’ny hetsika lehibe ao anatin’ny foara ny dinika ara-toekarena karakarain’ny Economic Development Board of Madagascar (ED BM). Kendrena manokana ny hampahafantatra ireo fahafahana mampiasa vola sy ny tontolon’ny fandraharahana ao amin’ny faritra Diana, mba hisarihana mpampiasa vola sy hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena. Nasongadin’ny minisitra fa «sehatra hifampizarana sy fampahafantarana ireo karazana fampiofanana ilaina, mitondra ho amin’ny fisokafana amin’ny tsena ivelany sy anatiny, ny foara Meva ».
Henintsoa




