Halatra tany : Tompon’antoka ireo mpanao taratasy hosoka

Anisan’ireo fanamby apetraky ny fanjakana ny hamaha ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara. Mazàna tambajotra mpanao hosoka, mampiasa antontan-taratasy sandoka, mivarotra tany tsy ara-dalàna, mamoaka taratasy fananan-tany tsy ara-dalàna, ireo tranga samihafa misy.
Misongadina ao anatin’ireo tranga niseho tao anatin’ny volana vitsy ireo disadisa samihafa. Matetika miainga avy amin’ny fampivarotana tany tsy ara-dalàna natao teo aloha na taona maro taloha no fototry ny olana. Vokany, sa­rotra ny fitsarana ny raharaha manoloana ireo antontan-taratasy sandoka, hosoka sy fampiasana hosoka, fisolokiana amin’ny fananan-tany, fibodoana tsy ara-dalàna ary fifanolanana momba ny zo amin’ny fananana azy. Nivoitra ao anatin’ny fanadihadiana na­taon’ny tetikasa «Promotion d’une politique foncière responsable (ProPFR) tohanan’ny GIZ, fa “ny fisorohana ny ady tany dia miainga amin’ny famantarana sy fanenjehana ireo tompon’antoka amin’ny hosoka tany am-boalohany. Tsy mijanona amin’ny fanadihadiana ny vokatr’izany fotsiny”. Heloka bevava ihany koa, hoy izy, ny fanaovana hosoka amin’ny antontan-taratasy momba ny tany, ny fisandohana andraikitra, ny fivarotana fananan’olona hafa ary ny fisolokiana.

Ankohonana
Lasibatra voalohany ny tokantrano rehefa resy lahatra fa ara-dalàna ny tany novidiany sy nanorenany trano. Aty aoriana vao fantany fa tsy tompon’ilay tany ilay mpivarotra nividianany izany. Vokany, voasoloky sy lasibatry ny fibodoana tany tsy ara-dalàna ilay ankohonana. Toy izany koa ny raharaha Tsarakofafa ao Toamasina. Nanazava ny Spat fa ara-dalàna avokoa ny antontan-taratasy ananany araka ny didim-pitsarana nivoaka ny taona 2025, hananganana ny tetikasa Port Sec III. Niaiky ihany koa izy ireo fa mety misy amin’ireo tokantrano sasany no lasibatry ny fifampivarotana tany tsy ara-dalàna ka nomena tohana manokana. Nivoitra tao anatin’izay fa manodidina ny 270 ireo voakasika ary efa nanaiky hifindra toerana ny ankamaroany. Ankilany, tokony hanana politika mazava momba ny fananan-tany, miaro ny zon’ireo tompon-tany, ny fanjakana. Tokony ho afaka mandrava ireo tambajotra mpanao hosoka amin’ny antontan-taratasy, manohana ireo lasibatra ary miantoka ny fitsarana marina sy mangarahara ihany koa.

Henintsoa

Partager sur: