INDRAY MIJERY

Fanjarian-tsakafo ho an’ny zaza madinika ny lohahevitra iompanan’ny fivoriana hotanterahin’ny mpitsabo manokana ny kilonga, ho an’ity taona ity. I Toliara no handray an’izany. Ahitana mpiasan’ny fahasalamana handray anjara amin’ny fiofanana, fizarana traikefa sy voka-pikarohana samihafa, ny 6 sy 7 aogositra ho avy izao.

“Olona 90 000 no mitondra ny tsimokaretina VIH eto Madagasikara. Ampy ho an’ny olona mihinana fanafody ny tahiry amin’ny faritra rehetra efa ahitana olona mitondra ny tsimokaretina”, hoy ny tomponandraikitry ny ady amin’ny tsimokaretina. Misy ny fandraisana an-tanana ireo marary, izay marihina fa maimaimpoana eny amin’ny tobim-pahasalamana voafaritra. Vita fiofanana ny mpiasan’ny fahasalamana mandray azy ireny. Manao fanadihadiana ny mpiasan’ny minisitera ka hojerena manokana ireo misy very an-dalana hiverina ao anaty fitsaboana.

Nandray ireo solontenan’ny foibem-pitondrana nasionaly misahana ny sekoly miahy tena (DNEP) ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny fiandohan’ny herinandro teo. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny dinika, indrindra ny hetahetan’ireo sekoly miahy tena amin’ny fanatsarana ny kalitaom-pampianarana sy ny fanohanana azy ireo. Nodinihina ihany koa ny anjara biriky sy ny fehin-kevitra hoentin’izy ireo amin’ny fikaonandoham-pirenena momba ny fanabeazana.

Partager sur: