Hotanterahina ny 5 aogositra ka hatramin’ny 9 aogositra izao ilay hetsika lehibe «Jazz@Tohatohabato», fanao isaky ny fotoam-pialantsasatra lehiben’ny mpianatra tahaka izao. Anisan’ny hampiavaka ny amin’ity taona ity ny fanamafisana ny fifandraisana, fifanakalozana eo amin’ny samy tontolon’ny kolontsaina. Eo koa ny fanomezan-danja ny toerana manan-tantara an-tanàn-dehibe. Hiavaka ny seho «Grande scène», ny 9 aogositra manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, manoloana ny tohatohabaton’Antaninarenina. Omena sehatra kokoa ny Jazz Club CGM. Ho mpandray anjara mihitsy fa tsy hijanona ho mpikarakara fotsiny ihany. Ankoatra ireo tarika nasaina toa an-dry Raozy Gasy, 18, 3, saika mpanakanto na tarika nitsimoka avy ao amin’ny Jazz Club CGM avokoa no hanafana ilay sehatra lehibe amin’io. Nampanantena ny Mi’Ritsoka Production fa ho tsara ny kalitaon’ny feo ho tonga eny amin’ny mpijery.
Notazonina hatrany kosa ny fandaharam-potoana nandrafitra ny «Jazz@Tohatohabato» hatramin’izay. «Jazz Kids», ao amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny alarobia 5 aogositra, amin’ny 2 ora. Seho hataon’ireo ankizy sy tanora tia jazz io. Ny zoma 7 aogositra, amin’ny 2 ora, «Jazz Quartier» eo anoloan’ny Tranompokonolona Isotry. «Jazz Street», ny sabotsy 8 aogositra, eo amin’ny Tohatohabaton’Antaninarenina, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
HaRy Razafindrakoto




