Renim-pianakaviana iray 85 taona niharan’ny herisetra tany Andranotakatra Ambony, kaominina Ambatosia, distrikan’i Bealanana, ny zoma 7 aogositra 2025. Naiditra vonjimaika am-ponja ilay lehilahy nahavanon-doza, saingy efa tafavoaka sahady, afakomaly 28 jolay 2026. Manao antso avo, araka izany, ny mponina manoloana izao tranga izao. Vokatry ny herisetra nahazo azy, folaka ny tongony ary tsy afa-mihetsika ilay renim-pianakaviana.
Moto scooter iray no nirehitra tampoka teny Analamahitsy, omaly. Vao tonga ary napetraky ny mpamiliny teo amin’ny sisin-dalana ilay moto. Tsy niandry ela fa tonga dia nirehitra avy eo, tsy fantatra mazava ny antony. Tonga namono ny afo teny an-toerana ny avy amin’ny vondron’ny mpamonjy voina ka voafehy minitra vitsy taorian’izay. May tanteraka ilay kodiaran-droa.
Karohin’ny zandary fatratra ny vehivavy iray antsoina hoe Ramadaniaina Soa Olace. Teny Andohanimandroseza Antananarivo no toerana nahitana azy farany. Enjehina noho ny fanafarana sy fanondranana iraisam-pirenena zava-mahadomelina mahery vaika “Cocaine” izy io. Entanina, araka izany, izay mahita azy mba hampandre ny manampahefana akaiky azy. Miandraikitra ny raharaha ny eo anivon’ny fikarohana heloka bevavan’ny zandary eny Fiadanana.




