Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny trano nohavaozina sy ireo fitaovana vaovao ho an’ny Sampana mandray an-tanana ny zaza ho an’ny CHU Analankininina, Toamasina, tamin’ity herinandro ity. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany ny tetikasa. Nanomboka ny septambra 2025 ny asa fanavaozana. Nandritra izany no nandalo ny rivodoza Gezani ka niteraka fahasimbana teo amin’ny fotodrafitrasa. Naverina narenina sy nohavaozina indray ny trano ka vita soa aman-tsara ankehitriny.
Ankoatra ny fanavaozana ny trano, nahazo fitaovana maro sy manaraka ny fenitra ihany koa ny Sampana mikarakara manokana ny zaza (pédiatrie). Hanatsarana ny fitsaboana ireo zaza marary tonga ao amin’ny hopitaly izany. Porofon’ny fiaraha-mientana ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny ankizy sy ny vahoaka ny zava-bita sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.
Vonjy




