Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, tamin’ity herinandro ity, ny raharaha fisavana tsy ara-dalàna nataon’andian’olona tamin’ny tranon’ny teratany Sinoa iray teny Ambohibao, ny 9 jolay 2026 lasa teo. Raha ny fanazavana voaray, tsy nahazoana alalana ny fisavana nataon’izy ireo tamin’io tokantrano io. Voarohirohy tamin’izany sy voasambotra ny olona efa-dahy. Anisan’izany i Florent. Namoaka horonantsary nanambara ampahibemaso ny tenany fa nandray anjara tamin’io fisavana teny Ambohibao io, roa andro taorian’ny tranga. Nahazo vaovao izy fa manao irony Scamming na endrika fisolokiana maoderina amin’ny alalan’ny internet irony ireo sinoa tao ka antony nandraisany anjara tamin’ny fisavana. Nohamafisiny tamin’ny horonantsary navoakany hatrany fa loza mitatao ho an’ny firenena izany ka tsy maintsy andraisana andraikitra. Nolazainy fa noho ny fitiavany tanindrazana no antony nahatonga azy nanao fisavana tsy nahazoana alalana. Nisy mpitandro filaminana koa niaraka taminy tamin’io fotoana io, raha ny fanazavany hatrany. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy avokoa izy ireo taorian’ny fihainoan’ny mpitsara mpanao famotorana. Marihina fa nametraka fitoriana teny anivon’ny zandarimariam-pirenena miasa eny Antehiroka ilay sinoa tompon’ny trano lasibatra.
Mino




