Madagasikara-Comores : Sidina roa isan-kerinandro

Notanterahin’i Madagascar Airlines, omaly, tany Maha­janga ny sidina hanokafana ny fiverenan’ny fitaterana ana habakabaka mampitohy an’i Madagasikara sy Moroni. Indroa isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania. Hanamora ny fivezivezen’ny mpandeha sy hanamafy ny fifanakalozana ara-toekarena sy ara-pizahantany eo amin’i Madagasikara sy ny Union des Comores izy ity. « Ho antoky ny fampandrosoana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy ny Union des Comores ny fiverenan’ny sidina », hoy ny Tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Rabarilala Rado. Nambarany fa hanampy amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izany. Nilaza ny masoivohon’i Kaomoro miasa eto amintsika, i Caabi Elyachroutu Mohamed, fa « anisan’ny nandrasan’ny firenena roa tonta hatry ny ela ny fiverenan’ny sidina ». Antenaina, hoy izy, fa hampifanakaiky bebe kokoa ny mponina sy hampiroborobo ny fifanakalozana izany. Ankoatra izay, vina apetrak’i Madagascar Airlines ny hanaovana sidina mampitohy an’i Mahajanga sy Marseille.

Henintsoa

Partager sur: