Tondrozotra maharitry ny fambolena: Tsara ny vokatra azo tao anatin’ny efa-bolana

Maherin’ny 30 000 ireo mpamokatra nisitraka tohana mivantana tamin’ny alalan’ny fandaharanasa maharitra napetraky ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo. Tsara ny vokatra tao anatin’ny efa-bolana.

Nahazo fanofanana sy fampitaovana ny tantsaha, hanohanana ny famokarany ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Paikady napetraky ny minisitera ny hanakaikezana bebe kokoa ny mpamokatra, ny hanamafisana ny fifaninanana ary ny hanitarana ny tetikasam-pamokarana. Eo koa ny fanamafisana ny fanjarian-tsakafo sy ny fanatanterahana ny politikam-panjakana. Tanjona ny hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo sy hamorona harena ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Tao anatin’izay, maherin’ny 150 t sy zezika 300 t no voazara. Maherin’ny 2 000 ha kosa ny velaran-tany voatondraka rano, naorina sy narenina. « Manohana mivantana ny tokantrano iray sy manampy azy hisitraka fahaleovantena ara-tsakafo ny fanarenana velaran-tany sy ny fampitaovana azy », hoy ny teknisianin’ny minisitera. Ankilany, nanampy tamin’ny fifaninanan’ireo mpamokatra ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Nanolotra zezika 1 450 t i Japon raha misokatra ho an’i Chine kosa ny tsenan’ny voanjo malagasy. Nampaha­fantatra mpamatsy vola vaovao ihany koa ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Anisan’ireo tetikasa lehibe tanterahina amin’izany ny fananganana tohodrano ao Ambinany Ivahona sy Edazo ary ny fanokafana ny lalana mirefy 40 km ao Fandriana.

Fandraharahana

Miroso amin’ny fananganana sehatra agro-indostrialy ihany koa ny minisitera. Ta­nora maherin’ny 1 500, ka vehivavy ny 700 amin’izany, no efa nahazo fiofanana momba ny fandraharahana amin’ny fambolena. Kendrena ny hampiroborobo ny sehatra sy hampitombo ny sandam-bokatra. Ankoatra izay, mijanona ho laharam-pahamehan’ny minisitera ny fanjarian-tsakafo. Maherin’ny 11 000 ireo nisitraka tohana sakafo an-tsekoly tamin’ny alalan’ny fividianam-bokatra eny amin’ny tantsaha. Hisy ihany koa ny tetikasa « agroécologiques » sy ny fambolen-kazo hiomanana amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Hamafisina ny fandrindrana ireo asa miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Toy ny fanaovan-tsonia ny « protocole phytosanitaire », iarahana amin’i Chine amin’ny fanondranam-bokatra. Eo koa ny fandraisana anjara amin’ireo fihaonambe isam-paritra momba ny Recensement général de l’agriculture (RGA-3).

Henintsoa

Partager sur: