Nahitana zaza menavava nisy nanary tetsy amoron’ny reniranon’Ikopa, omaly maraina. Hitan’ny olona teo akaikin’ny tetezan’Ampasika io zaza io. Nasitrika tao anaty gony ary avy eo nofonosina harona plastika izy tamin’ny fotoana nahitan’ny olona azy. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ny nahavanon-doza.
Tafaporitsaka nihazo ny lalana mankany Nanisana ilay mpanendaka gagilahy antsoina hoe Gena, omaly maraina. Avy nanendaka olona tao anaty taxi-be nijanona teo amin’ny fiantsonana Ampasapito izy. Lasany tamin’izany ny volafotsy sy finday an’ilay ramatoa. Lasa nitsoaka avy hatrany izy taorian’izany. Efa malaza ratsy amin’ny asa fanendahana io olon-dratsy tafaporitsaka io.




