TSELATRA

Renim-pianakaviana tokony ho 48 taona hita faty teo amoron-dranon’Ambahy, Lakandranon’i Pangalana, distrikan’i Nosy Varika, omaly maraina. Avy any Fenoarivo Ambahy io olona hita faty io, mpikarama manao vary ary mivezivezy amin’ny lakana eo anelanelan’i Ambahy sy Fenoarivo no ahitan’ny olona azy. Tsy nahitana ratra ny vatany, araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo.
Nosakanan’ny polisy tetsy Ambatobe ny fiara iray marika V8 izay misy “Gyrophare ” mirehidrehitra, omaly hariva. Teratany karana no nitondra io fiara io. Afaka nandeha ilay fiara taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisy nanao fisavana. Amin’ny ankapobeny, fiarana manam-pahefana ihany no tokony hahitana ireny jiro mirehidrehitra ireny.
Tsikaritra ho nisy nangalatra ny tariby mitondra herinaratry ny Jirama any Toamasina, omaly. Nampandre ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Tanandava, mahakasika izany, ny mponina. Nidina haingana tany an-toerana ireo zandary sy ny mpiasan’ny Jirama nijery izany. Tariby eo anelanelan’ny andrin-jiro roa no nisy nangalatra. Hita nasitrik’ireo mpangalatra tsy lavitra teo ireo tariby nangalariny ary efa naverina tamin’ireo mpiasan’ny Jirama.
Novakian’ny olon-dratsy ny tokantrano iray fiompiana akoho amam-borona tetsy Soanierana, fokontany Ankazobe I, kaominina sy distrikan’Ankazobe, afakomaly tamin’ny 9 ora maraina. Lasan’ireo olon-dratsy, tamin’izany, ny akoho miisa roa tao anatiny. Novakian’izy ireo ny varavarankely tao an-trano ary niditra tany amin’ilay efitra fiompiana izy ireo. Misahana ny raharaha ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankazobe.

Partager sur: