VAOVAO TAMBATRA

Seha-pihariana manana ny lanjany amin’ny fampivoarana ny toekarena ny Sakarivo. Maro ny tan­tsaha mivelona amin’ity vokatra ity ao Beforona. Antony mahatonga ny fanjakana manohana ireo mpisehatra amin’ny Sakarivo biolojika. Nisy ny fampiofanana nomena ireo mpamboly hanatsana ny tany sy ny masomboly hampivoarana ny seha-pihariany ho an’ny tombontsoan’ny toekarena.

Hisitraka Valan’ny Haivao ara-pamokarana (Parc d’Innovation Agricole) ny faritra Fitovinany. Ivon-toerana hanehoana sy hampielezana ireo teknika ara-pambolena maoderina sy ny agroekôlôjia ny «Parc d’innovation agricole». Taifidira ao anatin’izany ny fitantanana maharitra ny rano, ny masomboly mahazaka haintany, ary ny fanatsarana ny vokatra. Mifandinika amin’ny fanatanterahana ireo dingana stratejika hanaovana izany amin’izao fotoana ireo tompon’andraikitra samihafa.

Nanolotra masomboly nohatsaraina ho an’i Madagasikara i Ejipta, nandritra ny fitsidihana nataon’ny filohan’ny fanavaozana, Kolonely Randrianirina Michaël, tany an-toerana. Hetsika natao hampidirana ny vokatra eto an-toerana. Miavaka ny masomboly satria mamokatra haingana sy ara-kalitao ary mitahiry izany isaky ny vokatra miakatra. Atao andrana eto amintsika izany raha mifanaraka amin’ny fepetra takin’ny toe-tany. Tanjona ny hampiroborobo ny famokarana eto Madagasikara.

Partager sur: