Anosizato : Vehivavy iray hita faty tao amin’ny reniranon’Ikopa

Nahitana fatim-behivavy iray, sahabo ho 30 taona teo ho eo, tetsy amin’ny reninaranon’Ikopa Anosizato, afakomaly ta­min’ny 1 ora sy 30 minitra. Tsikaritry ny olona teny amin’ny manodidina natsingevan’ny rano tao anaty tsikafona teny amin’ny tetezan’ny Anosizato ny razana. Nitangorona nitazana sy nijery izany ny mponina, vantany vao nahita ny tranga. Nampi­laza sy nampahafantarina ny zava-nisy ny polisy misahana ny fifamoivoizina teny an-toerana. Niara-nifarimbona nampiakatra sy nisintona ny razana teny an-tanety ny mponina teny amin’ny manodidina. Mbola hita teny aminy avokoa ny ankajo nanaovany tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Tsy nisy na­hafantatra azy io ny olona teny amin’ny manodidina. Tomba­nana sy ahina ho novonoina tany an-kafa izy io ary natsipy tao anaty rano, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso ny zava-nitranga. Tonga naka sy nanatitra ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny BMH. Tonga teny an-toerana ihany koa ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina sy ny polisy avy amin’ny boriborintany Fahaefatra etsy Mahamasina. Nanelin­gelina tanteraka ny fifamoivoizina ny fisian’olona maro nitazana avy eny ambonin’ny tetezana Anosizato nandritra izany. Niezaka nandamina ny filaminana sy ny fifamoivoizana teny an-toerana ny mpitandro filaminana.

Mino

Partager sur: