Lavon’ny balan’ny zandary teny Ambohimanga Atsimo, ny alakamisy 30 jolay 2026 teo, tamin’ny 11 ora atoandro, ny dahalo miisa telo. Azo sambo-belona ny dimy hafa, afakomaly tamin’ny 12 ora alina. Nikasa hanafika ny tanàna tany an-toerana ny dahalo manodidina ny 15 isa. Nirongo fitaovam-piadiana sy zava-maranitra ary sakaosy izy ireo. Nidina nihazo ny kaominina Ambohimanga atsimo, distrikan’Ifanadiana izy ireo. Nahetsika avy hatrany ireo zandary ao amin’ny tobin-janam-paritra Fasitsara sy ny vahoaka any an-toerana nanao ny fiambenana. Raikitra ny fifanenjehana, nanohitra tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy ny telo ka maty voatifitry ny zandary.




