Nanome toky ny handoa ny trosan’ireo « prestataires » sy orinasa tsy miankina niasa tamin’ny fanjakana ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo. Nivoitra izany nandritra ny jeritodika isaky ny enim-bolana ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana, ny zoma teo, teny amin’ny CCI Ivato. « Eo am-panaovana fanadihadiana ireo antontan-taratasy sy fanamarinana izany ny fanjakana. Napetraka ihany koa ny rafitra handovana ny vola », hoy hatrany ny minisitra.
Tsiahivina fa nanao antso avo tamin’ny haino vaky jery momba ny fahataran’ny fandoavana ny volany ireo mpandraharaha, ny taona 2022. Mpandraharaha niara-niasa tamin’ny fanjakana tamin’ny andron’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Taorian’izay, nandalo olana ara-bola goavana noho ny zava-nisy ireo mpandraharaha. Nisy ireo voatery nanakatona ny orinasany, nisy kosa ireo niantso ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana. Na dia efa nisy aza ny fampanantenana nataon’ny fitondrana nifandimby, dia nilaza ireo mpandraharaha voakasika fa mbola niandry vahaolana hatramin’izao. Nohamafisiny fa tsy tokony hampifandraisina amin’ny toe-draharaha politika ny fandoavana ireo trosa, satria asa efa vita sy voamarina no fototry ny fitakiany.
Henintsoa




