Misehatra amin’ny fanodinana sy varotra fivarotana vokatry ny fambolena voankazo sy legioma ny orinasa Sakafo Madagasikara. Azony ny loka Pierre Castel ho an’ny taona 2026, manohana ny mpandraharaha mitondra fampandrosoana maharitra.
Tsy mitsahatra manohana ny orinasa sy ny mpandraharaha malagasy ny orinasa Star. Tafiditra ao anatin’izany ny fifaninanana Loka Pierre Castel, atao ho an’ny firenena miisa 7 aty Afrika isan-taona. Mikarakara azy ny Vondrona Castel, orinasa renin’ny Star Madagasikara, nanomboka ny taona 2018. Ho an’i Madagasikara, nahatratra 186 ireo nandray anjara, ka ny 32 no voasivana, hisafidianana ho an’ny famaranana. Orinasa 6 no tafiditra tany amin’ny famaranana ary nahazo ny voalohany, ny orinasa Sakafo Madagasikara, tantan’i Herilaza Nandrianina. Misehatra amin’ny fanodinana sy fivarotana vokatra avy amin’ny voankazo sy legioma ity orinasa ity. Azony ny loka 25 000 euros, entiny hampiroboroboana ny fiharian’ny orinasa. Hisy ny fanohanana azy ireo hanatsarana ny fitantanana sy ny fahaiza-manao. Hampidirina ao anatin’ny tambajotran’ny Prix Pierre Castel ihany koa ny orinasa Sakafo Madagasikara. Nambaran’ny talen’ny Serasera ao amin’ny orinasa Star, Ralambomanana Seheno, fa « tena sarotra ny fitsarana, satria nananosarotra ny nisafidiana ireo 6 mianadahy tonga tany amin’ny famaranana. Nandaniana ora maro mihitsy, satria tena nifanakaiky ny isan’ireo mpifaninana, sady mendrika daholo izy ireo, ary nampiseho ny mampiavaka an’i Madagasikara ».
Hiatrika ny mpifaninana afrikanina hafa
Orinasa dimy hafa ny Andao Company, ny Aquafood, ny Malakass, ny Oil Mada ary ny Robens Group. Notetezin’ireo mpitsara ny mpifaninana tsirairay sady notombanana ny seha-pihariany avy. Mpitsara avy amin’ ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), ny Fambolena sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo (MiASA), ny EDBM, ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (Sim), ny Nexta ary ny Star. Hisolo tena an’i Madagasikara, manoloana ny mpitsara iraisam-pirenena tarihin’i Grégory Clerc, mpitarika ny Vondrona Castel, i Herilaza Nandrianina, hiaraka amin’ireo mpifaninana avy any firenena afrikanina enina hafa, hatao ny volana septambra ho avy izao any Bénin.
Njaka Andriantefiarinesy




