Niaiky heloka, nitoroka ny toerana nandevenany ny vata fitahirizam-bola « coffre-fort » ny mpiasa iray tao amin’ny sekoly niharan’ny fandrobana teny Andakana, distrikan’Ambohidratrimo, ny 1 jolay teo. Efa nanao teti-dratsy hangalarana tao amin’io toeram-piasany io ity olona voasambotra ity. Nalainy ny solosaina niampy ny lelavola mitetina 10 tapitrisa Ar. Niroso tamin’ny fanadihadiana momba ny tranga ny mpitandro filaminana. Voamarina tamin’ny alalan’ny famotorana fa tompon’antoka tamin’ity asa ratsy ity ilay mpiasa. Nilaza ny toerana nanitrihany ny vata fitahirizam-bola ilay mpiasa voasaringotra. Naleviny tao anatin’ny tany ilay vata ary vola mitetina 2 tapitrisa Ar hany sisa tavela tratra. Sarona koa, ny solosaina very izay nalain’ity mpiasa ity. Niakatra fampanoavana ny faran’ny volana jolay teo ny raharaha ka niafara tamin’ny fihazonana am-ponja.
Tsiferana R.




